OMAPI : manentana ireo orinasa hiaro ny vokatra

  • 20 février 2024

Manamafy ny ezaka efa natomboky ny minisiteran’ny  indostria sy ny varotra ny OMAPI (Office Malgache de la Propriété Industrielle). Mitety ireo orinasa nisitraka ny taninketsa indostrialy avy amin’ny minisitera ity rafitra ity hanatrarana ny paikady napetraky ny Filoham-pirenena anatin’ny 100 andro. Isan’izany ny orinasa Iloo any Manjakandriana mpanodina tantely izay nahazo ny fampitaovana avy tamin’ny minisitera ny herinandro lasa teo.

Tanjona ny hanentanana ireo orinasa mba hiaro ny vokatra vokariny eny anivon’ny OMAPI mba hiarovana izany amin’ny hosoka. Eo koa ny fampidirana azy ireo anatin’ny sehatry ny fifaninanana ara-barotra ara-dalàna ary indrindra mba hahazoana mari-pananana araka izay vokatra vokariny. Ankoatra izay dia manana teknolojia vaovao atolotra ho an’ny mpanjifa ny OMAPI ho fanamorana ny fiarovana eo anatrehan’ny lalàna ny vokatry ny orinasa iray.

Nanomboka ny taona 2020 no efa nametraka ny fiarovana ny marika Iloo teny anivon’ny OMAPI ity orinasa ity. Fiaraha-miasa amin’ny tantsaha no hahafahany namokatra amin’ny alalan’ny famokarana, fiompoana tantely, ny fambolena sy ny maro hafa. Niainga tamin’ny fampiasana tantely avokoa ny fanodinany ny vokatra ho lasa fanafody.

Ny mpamorona no tokony hisitraka voalohany ny vokatra vokariny araka ny nambaran’i Hantanirina Raharivelo, avy ao amin”ny OMAPI. Tafiditra ao avokoa fiarovana ny marika, ny foniny, ary ny vokatra ao anatiny.

Partagez :
Natacha Hasimbola