Olona miisa iray tapitrisa no hisitraka fihofanana arak’asa hatramin’ny taona 2023

  • 12 octobre 2021

Hampiofana olona miisa 1 000.000  ny  minisiteran’ny Asa hatramin’ny taona 2023. Tanjona ny fanomezana asa ho an’ny tanora Malagasy izay mbola betsaka ny tsy tarfiditra ao anatin’iny tsenan’ny asa.

Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana amin’ny fianarana asa fototra notanterahana tao Fianarantsoa. Mpiofana miisa 1791 no nanaraka fiofanana nandritry ny 15 andro ary navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 11 oktobra. Nahitana vehivavy, tanora ivelan’ny rafi-pampianarana, ary tantsaha ny mpiofana. Ny 751 tamin’izy ireo dia  avy ao amin’ny « Lycée technique Professionnelle Beravina » sy ny PIF TIC ary ny  751 dia avy ao amin’ny CFPF.

Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena, ary tafiditra ao amin’ny velirano napetraky ny filoham-pirenena izany, hoy ny minisitra Rahantanirina Gabriella nandritry ny lanonam-pamoahana ireo nahavita fiofanana. Nanamafy « ny tokony hilofosana ami’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana hirosoana ami’ny fifanojoan’ny fiofanana sy ny asa izy ».

Partagez :
Mahandry