Olan’ny seha-pihariana Oratsimba : nentina teo anivon’ny Loholona androany.

  • 9 mai 2023
Androany talata 9 mey, no nanatanteraka fihaonana momba ny fanazavana mahakasika ny olan’ny seha-pihariana Oratsimba na ny « Langouste » ao amin’ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana tamin’ireo loholona teny Anosy ny minisitra Mahatante Paubert.
Tanjona ny hampahafantarana ny mahakasika ny tontolon’ny seha-pihariana Oratsimba sy ireo lalàna mifehy izany, hitadiavana vahaolana koa manolona ireo fitarainan’ny mpanjono sy ny mpivarotra amin’ny fitobahan’ny vokatra tsy misy vidiny.
Nisy ny soso-kevitra natolotr’ireo Loholona nandritra izany fihaonana izany, izay hoentin’ireo delegasionina hotarihin’ny minisitra, hidina ifotony any amin’ireo Faritra ireo rahampitso.
Partagez :
mialy