OJM : kandida tokana no hofidina amin’ny 16 oktobra.

  • 26 septembre 2021
Nifarana androany 26 septambra ny fe-potoana fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Iray ny taratasy filatsahan-kofidina voarain’ny komity mpikarakara ny fifidianana, dia ny lisitra tarihin’ny mpanao gazety Rasoloarison Harifeno Monica.
Hatramin’ny taona 1974 nijoroan’ny holafitra, sambany vao nisy vehivavy nirotsaka hisahana ity andraikitra ity. Zava-dehibe ny fametrahana ny mira lenta, indrindra ny fampiraisana sy fiarovana ny hasin’ny mpanao gazety, izay voatohintohina sy mitady ho difotry ny teknôlôjia vaovao, hoy i Monica Harifeno Rasoloarison, nandritra ny fanaterany ny taratasy filatsahan-kofidina androany.
Nandritra izany koa no nanoloran’ny solon-tenan’izy 93 mianadahy mandrafitra ny lisitra ny antontan-taratasy sy anto-bola telo tapitrisa ariary, teo anatrehan’ny mpikambana mandrafitra ny vaomiera itambara isasahana (CPC), mpikarakara ny fifidianana.
Amin’ny alarobia 29 septambra izao no ho fantatra raha mahafeno na tsia ny fepetra sy ny pitsopitsony rehetra notakina ity filatsahan-kofidina ity, hoy Jean Aimé Rambeloson, filohan’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana.
Amin’ny 30 septambra vao hanomboka ny fampielezan-kevitra; izay hifarana ny 14 oktobra. Mandalo ny antsoina hoe fanginana mialoha ny fifidianana ny 15 oktobra; ary hiroso avy hatrany amin’ny fifidianana ny 16 oktobra ; izay iarahan’ny CPC manatanteraka amin’ny CENI sy ny fiarahamonim-pirenena SAFIDY.
1 509 ny mpifidy andrasana, dia ireo tafiditra tamin’ny lisitry ny mpanao gazety matihanina. Hisy isaky ny renivohi-paritra 23 ny biraom-pifidianana. Karapanondrom-pirenena no entina mifidy.
Partagez :
Mahandry