” Ny teny malagasy mahomby, mahalaza raha”

  • 31 mai 2024

Hamokatra fandaharana vaovao milohateny hoe ”Minitran’ny teny malagasy” ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Arahina tsy tapaka isanandro amin’ny fotoanan’ny fampahalalam-baovao ao amin’ny RNM sy TVM izany. Hisy koa ny fanitsiana ny diso sy ny fampianarana ny tenim-paritra hivoaka isanandro ao amin’ny tambazotran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy izany,  fa indrindra hanomezan-danja ny teny malagasy sy hanandratana avo azy.

Ankoatra izay, misy ny ezaka manokana ataon’ny minisitera hanomezana sehatra ireo mpamokatra boky mifandraika amin’ny teny malagasy mba ho fanomezan-danja azy ireo sy hahafantaran’ny malagasy ny boky. Tsy ho diso anjara amin’izany ireo mapokatra boky rehetra, mandritra ny volana jona izay iray volan’ny teny malagasy.

Tsiahivina, efa nisy ny fihofanana momba ny tenim-panoratana ny teny malagasy natao tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy sy tany amin’ny faritra hafa. Natao izany mba hahaizantsika hanoratra ny teny malagasy araka ny tokony ho izy.

Manodidina ny 100 ireo nandray anjara ary notolorana marim-pankasitrahana androany, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ny iray volan’ny teny malagasy, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Lohahevitra nosafidiana amin’izany ny hoe ” Ny teny malagasy mahomby, mahalaza raha’.

Partagez :
Nirinasoa Tafita