Ny kolontsaina no aina maha firenena ny firenena iray

  • 27 août 2021

Nanolotra ny IVOKOLO na Ivon-toeran’ny kolontsaina izay trano ahafahan’ireo mpanakanto mampiranty ny talentany sy ny asa tanany ny fanjakana ankehitriny tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ity fotodrafitrasa ity dia navaozina ho an’ny haivolana sy haikanto ara literatiora sy ara-mozika. Mahazaka olona miisa 180 ka hatramin’ny 200 mipetraka ny efitrano Charles Ravaloson izay olona fantadaza teo amin’ny sehatry ny tantara an-tsehatra.

Fitaovana vita malagasy avokoa ny fitaovana fanamafisam-peo ao anatin’ity efitra Charles Ravaloson ity ka ny orinasa B-Audio no namokatra izany. Raparivo RR, andrarezin’ny hosodoko, kosa no anarana nampitondraina ny efitrano fampirantiana. Ankoatra izay, misy ihany koa ny “bibliothèque d’orientation”, izay natao hitadiavana ireo boky misy amin’ny toeram-pivarotam-boky rehetra. Hita ao avokoa ireo torohay hahafahana mitady ny tranom-boky mivarotra ny boky rehetra.

Naorina ao amin’ny IVOKOLO ihany koa ny ivontoerana natao hiofanana sy hahazoana torohevitra ary torolalana ho an’ireo tanora manana vina ny hanangana orinasa sy/na handraharaha eo amin’ny sehatra ara-kolotoraly na ny “centre d’incubation Tosikart”izay natsangan’ny Ministera ny eto Antananarivo, taorian’ny tany Toamasina. “Efa andalam-pahavitana ny Akademia nasionalin’ny Haikanto sy ny Kolontsaina na ny ”ANAC” amin’izao” hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ity trano IVOKOLO Analakely ity.

Partagez :
Mahandry