Notoloran’ny fanjakana mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre du mérite de Madagascar » ireo atleta nitondra avo ny taranja judo sy fibatana fonjam-by.

  • 3 août 2022

Noraisin’ny fioham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta ao amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjam-by, avy niaro ny voninahitr’i Madagasika teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Notolorana  » Chevalier de l’Ordre du mérite de Madagascar » izy ireo.

Laura Rasoanaivo Razafy sy Lova Mahaisoa ho an’ny judo. Tojonirina Andriantsitohaina, Rosina Randafiarison, Elarion Ramiaramanana ary Eric Andriantsitohaina ho an’ny fibatana fonjam-by.

« Hitsiny sy rariny izao satria rehefa ventesina ny hiram-pirenena dia ny malagasy rehetra no miara-tempo aminareo », hoy ny filoham-pirenena. « Reharehan’ny firenena ianareo. Manohana anareo tsy akanavaka ny fanjakana », hoy hatrany izy.

Nampanantena ny hanangana dojo ho an’ireto taranja ireto ny filoha. « Mendrika ny hahazo toerana sahaza azy ireto taranja ireto ka hapetraka ny dojo nasionaly ho an’ny judo sy ny haltérophilie. Anio tolakandro dia hiroso amin’ny fijerena ny toerana ho asiana izany hianareo », raha ny nambaran’ny filoha. Hanome fitaovana mifandraika amin’izany ny fitondram-panakana.

Ankoatra izay, notolorana ny mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre du Mérite Sportif », koa ireo mpanazatra nitondra ireo atleta tamin’izany.

Partagez :
admin