Notokanana androany ilay lisea voalohany ao amin’ny kaominina Ankaraobato

  • 5 novembre 2021

Afam-pahasahiranana  ny ankizy sy ny Ray aman-dreny ao amin’ny kaominina Ankaraobato satria dia notokanana androany 5 novambra ny Lisea vaovao ao an-toerana. Naorina nanomboka ny volana mey teo ity lisea vaovao ity. Ahitana efitra 6 mahazaka mpianatra 52 ny trano fianarana. Efa misy fitaovana avokoa ireo efitra ireo. Nasiana zaridaina maitso koa io lisea io.

Voatery nandeha 7 kilometatra isan’andro mamonjy sekoly ny mpianatra monina ao amin’ny Kaominina Ankaraobato teo aloha. Voatery mankeny Ampefiloha, Mandrimena ary Iavoloha izy ireo. Anisan’ny niteraka fialana an-tsekoly aloha loatra izany. Voavaha ny olana ankehitriny.

Ahitana ankizy miisa 104 ny ao amin’ny kilasy faharoa ary 30 ny ao amin’ny kilasy voalohany amin’izao taom-pianarana izao. Mitentina 72 .000 euro na 315.500.000 ariary ny fotodrafitrasa. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny Kaominina tamin’ny Masoivohon’i Japana.

Notronina manampahefana maro ny lanonana, tao anatin’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Pr Sahondrarimalala Marie Michelle, ny ambasadaoron’i Japana Higuchi Yoshihiro ary ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitra Ankaraobato Ramamenosoa Herinjato .

Partagez :
Mahandry