Nosokafana androany 19 febroary ny fanondranana volamena manara-dalàna eto Madagasikara

  • 19 février 2024

Nosokafana androany 19 febroary ny fanondranana volamena manara-dalàna eto Madagasikara rehefa najanona nanomboka tamin’ny volana septambra 2020.

Naseho ampahibemaso teny amin’ny “Mining Business Center” Ivato ny pitsopitsony manodidina ny izany. 2kg no nisantarana ny fanondranana. Tafiditra ao anatin’ireo orinasa 6 nahazo fahazoan-dalana tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra ity mpanondrana volamena voalohany ity. Fitaovana arifomba no ampiasaina ary mandalo antanatohatra maro ny volamena mialoha ny hamonosana azy. Tafiditra amin’izany ny “titrage” sy ny fandanjana fametrahana “lohan’omby” mari-pamantarana ny “label Madagasikara”.

Tsy manana fahefana amin’ny toerana hivarotana ny volamena ny fitondram-panjakana. Raha ny fantatra dia ao Dubaï avokoa no amidy ny 98% ny volamena avy eto Madagasikara. Misy koa ny amidy any Inde.

Takina amin’ ny orinasa mpanondrana volamena ny voalaza rehetra anaty bokin’andraikitra. Voalohany amin’izany ny fampodiana ny vola vahiny, ny tamberim-bidy… Tsy afaka manondrana intsony amin’ny manaraka raha tsy voahaja izany. Raha tsy tanteraka avokoa ireo dia mety ho tonga hatrany amin’ny fanesorana ny fahafahana manondrana.

 

Partagez :
Sissie Raveloson