Nohamafisina ny fampitaovana ireo teknisianina ao amin’ny MEDD.

  • 14 novembre 2023

Nanolotra fitaovana ho an’ny MEDD ny Minisitra Vina Marie-Orléa sy Natasha Van Rijn Solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara ho famafisana ny fitantanana sy fiarovana ny tontolo iainana androany 14 novambra teny Nanisana.

Fitaovana informatika nahitana « Serveur », Solosaina, « Tablette », « Imprimante », kosa no natolotry ny Tetikasa CCCD-Conventions de Rio izay vatsian’ny PNUD hanamafisana ny fametrahana  ny « Système d’Information pour la Gestion Environnementale (SIGE) ». Tanjona ny hanamora ny fakana fanapahan-kevitra amin’ny fitantanana ny tontolo iainana. Heverina araka izany fa hanampy betsaka amin’ny fikirakirana ireo antontan’isa sy antontan-kevitra mahakasika ny tontolo iainana ao anatin’ny SIGE ireto fitaovana ireto.

Nisitraka moto miisa 6 koa ny Fitaleavam-paritra Boeny, Betsiboka, Melaky, Atsimo Andrefana, Analanjirofo, Menabe, ary Alaotra Mangoro mba hanamafisana ny fanaraha-maso ny harena voajanahary eny anivon’ireo faritra arovana sy ny Ala Honko. Marihina fa mamatsy ny tetik’asa ny PNUE amin’ny alalan’ny GEF 5.

 

Partagez :
Mahandry