Politique

Niaka-dapa teny Iavoloha ny Ampanjaka Zafisoro 6 mirahalahy

Noraisin’ny talen’ny kabinetra sivilin’ny fiadidiana ny Repoblika, Raharinirina Baomiavotse Vahinala teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha androany ireo Ampanjaka Zafisoro 6 mirahalahy. « Naniry hampita hafatra mivantana hoan’ny filoham-pirenena izy ireo, izao niakatra avy any Evato izao », raha ny filazan’ity tomponandraikitra ity.
Ny fampandrosoana sy fampivoarana, andrandrain’ny mpiara-belona any amin’ny distrika misy azy ireo avy no nifantohan’ny resaka nifanaovan’ireo Ampanjaka ireo tamin’ity minisitry ny Tontolo iainana teo aloha ity. « Maro koa ny hetaheta nampitain’izy ireo mivantana ary ny soso-kevitra fanatsarana amin’ny fanatanterahana ny velirano sy ireo fotodrafitrasa », hoy Raharinirina Baomiavotse Vahinala.
Ny fanirian’ireo Ampanjaka Zafisoro ireo dia « Mba tena tsy hisy intsony tokoa ny hadino sy tavela » amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
« Manana lanja lehibe ireo Ampanjaka sy Olobe amin’ny fiarahamonina malagasy. Koa zava-dehibe tokoa ny fahafahana mihaino azy ireo toy izao », hoy ny talen’ny kabinetra sivilin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer