Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny filoham-panjakana mpisolo toerana ny masoivoho rosianina

  • 15 novembre 2023
Ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa marolafy eo amin’i Madagasikara sy Rosia no niompanan’ny lahadinika nandritra ny fihaonana teo amin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Jeneraly Ravalomanana Richard sy ny masoivohon’ny Federasionin’ i Rosia miasa sy monina eto Madagasikara, Andreev Andrey Vladimirovich, teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny talata 14 novambra.
Nitondra ny fiarahabana sy firarian-tsoa manokana avy amin’i Valentina Matvienko, filohan’ny Antenimierandoholona rosianina tamin’ny nahalany ho filohan’ny Antenimierandoholona sy nahavoatendry ho filoham-panjakana an’i Jeneraly Ravalomanana Richard ihany koa ny tenany.
Noresahana nandritra ny fihaonana koa ny fanomanana ny fifidianana izay mizotra tsara araka ny tetiandro napetraka.
Partagez :
Mahandry