Lalatiana Andriatongarivo : Mitaky andraikitra sy fikirizana no nilatsahana tao anaty fitondrana

  • 27 août 2021

Nitondra fanazavana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritry ny fandaharana “Tsy Ho Tompotrano Mihono”, androany Zoma 27 Aogositra, mikasika ny siosion-dresaka miely izay milaza fa “misy ambadika fanondranana andramena ny namatsiana hazo palissandre tao anaty Rovan’i Madagasikara” . Tsy mitombina ireo resaka niniana nafafy ireo ary mahamenatra ny tohan-kevitra haparitak’ireo mpanenjika, hoy ihany izy.

Maro ny fanenjehana sy zavatra foronina momba ny tenany manokana sy ny fianakaviany ary ny mpiara-miasa aminy nefa “mbola mijoro sy vonona ary madio fo ny Minisitra amin’ny fanohanana ny Filoham-pirenena” . Variana manenjika ny mpanohitra, hoy izy, fa ny Fanjakana dia vonona hiasa, mijoro, miroso sy mamokatra ary mandray andraikitra hatrany.

Hifofotra sy hikatsaka vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny firenena ny mpitondra ka tsy handaitra na hampihemotra na hampiverin-dàlana ireo tsaho haparitaka, hoy ihany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nitaky andraikitra sy fikirizana no nilatsahana tao anaty fitondrana ka vonona amin’ny fikirizan’aina hatrany hanohana ny Filoham-pirenena sy ny vinany izy sy ireo mpiara-miasa aminy izay resy lahatra tanteraka amin’ny fampandrosoana ny Tanindrazana.

Partagez :
Mahandry