Mpiasan’ny kaominina Ste Marie : niverina niasa, rehefa avy nitokona 3 andro.

  • 1 septembre 2021

Voavaha ny olana androany. Afaka nandray ny karamany 4 volana ireo mpiasan’ny kaominina ireo; ary niverina niasa avy hatrany. Tonga ny vola fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, nanampy ny efa  tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina sy ny hetra vao azo.

Tsiahivina fa nikatona ny biraon’ny kaominina Sainte Marie nanomboka ny alatsinainy teo; nitokona tsy niditra  ny birao ny mpiasa, nilanja sora-baventy, nitaky ny karama 4  volana.

Antony tsy nahafahana nandoa io karama io, hoy ny fanazavan’ny ben’ny tanàna, ny tsy fahatongavan’ny vola fanampiana sy ny tsy fahazoana ny “avis de crédit” na dia nisy vola mety nahafahana nandoa izany aza tao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Na izany aza, notsindriana fa tsy mifandanja amin’ny vola mivoaka amin’ny karaman’ny mpiasa ny vola miditra amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao noho ny trano fandraisam-bahiny sy seha-pihariana maro mbola mikatona. Mitontaly 36 410 181 Ariary ny karaman’ny ireo mpiasan’ny kaominina isam-bolana. Ao anatin’ny efa-bolana anefa ny kaominina vao mahatafiditra vola 40 tapitrisa.

Partagez :
Mahandry