Mpianatra Malagasy 24 avy any Kenya : manantena ny hampiodina ny orinasa Base Toliara.

  • 15 septembre 2021

Tafody an-tanindrazana ny tanora 24 avy ao Toliara nandranto fianarana tany Kenya. Ny Base Toliara no niantoka sy nikarakara ny fiofanan’izy ireo izay naharitra 2 taona. Antony nandehanan’ireto tanora ireto nanovo fianarana tany ivelany ny hampandroso an’i Toliara amin’ny alalan’ity orinasa ity. Mihevitra ny hitondra zavatra tsara ho an’i Madagasikara manontolo izy ireo.

Tsy avy amin’ny base Toliara no nahatonga ny fahasahiranana ao an-toerana hoy Fihaona Mahatsinjo, solontenan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra avy ao Ankilimalinike. Mankasitraka ny fisokafan’ny orinasa ary mangataka amin’ny fitondrana mahefa hijery ny ho avin’ireo mpianatra ireo ny tenany. Anisan’ny orinasa lehibe indrindra maneran-tany ity orinasa ity raha ny filazan’i François , iray tamin’ireo mpianatra. “Tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana ny fihodinan’io orinasa io. Miaro ny tontolo iainana aza. Tsy mandavaka 6 metatra araka ny filazan’ny hafa fa 3 metatra ihany. Tsy mampihotsaka ny tany mihitsy” hoy izy.

Raha tsiahivina dia efa 2 taona izay no tsy nihodina ity orinasa ity ary ao anatin’ny fandresen-dahatra ny hiverenany hitrandraka ny fasimaintin’i Ranobe ny tomponandraikitra.

Nitia Raveloson

Partagez :
Mahandry