Social

Mpandoro tanety iray no naiditra amponja tany Anjiajia

Lehilahy iray no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fandoroana tanety mirefy 1,5 hekitara tao amin’ny faritra Sofia. In-droa miantaona no nanaovany izany, tao amin’ny fokontany Anjianjia. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo olon-tsotra, mpianala sy tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana no nahatrarana ny nahavanon-doza.

Fantatra ary nekeny fa niniany nodorana ny tanety tamin’io faritra voalaza io, ny 6 sy 11 jolay teo. Io no trangana dorotanety niseho voalohany tamin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Razafimahefa Luciano.

Tsiahivina fa manara-maso akaiky ny minisitera amin’ny trangana dorotanety tahaka izao. Efa nisy koa ny fanentanana nataon’ny minisitera, roa volana lasa izay, mikasika ny ady amin’ny dorotanety. Ankoatra izay, misy koa ireo karazana vondrona sy komity miady amin’ny dorotanety napetraka isaky ny fokontany manerana ny faritra. Analamanga, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Menabe no ahitana dorotanety be indrindra, noho ny hamaroan’ny ala amin’ireo faritra ireo.

Maherin’ny 1 440 ny isan’ny polisin’ala manerana an’i Madagasikara. Tsy mbola mahasehaka ny velaran-tany arovana izany, hoy hatrany ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ilaina indrindra araka izany ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena tsirairay, amin’ny fiarovana ny Tontolo iainana, fa indrindra ny fitorohana raha sendra mahita trangana dorotanety. Azo atao koa ny miantso avy hatrany ny laharana 034 05 621 43, raha mahita izany, na aiza na aiza eto Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer