Mpanazatra vaovaon’ny Barea : mila fanohanana mba hahazoana ny vokatra andrasana aminy, hoy Faneva Ima.

  • 1 juin 2023
 «Antomotra loatra ny fotoana nanendrena ny mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara ka mila fantarina ny nahatonga izany», hoy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha. Amin’ny maha mpitanatana klioba an’i Faneva Ima dia nametraka izy ny hoe: « inona ny “moyen” omena ny mpanazatra sy hanampiana azy, izay hiandrasana valiny mazava amin’ireo tomponandraikitra isana ambaratongany. Ny mpanazatra na iza na iza tonga eo dia tsara foana” hoy ity kapiten’ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha ity.
Ho an’ny fifidianana ny ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) dia notsindiany fa mila asiana fitsipi-dalao ny fandrindrana amin’ny ankapobeny eo anivon’ny federasiona vao alefa ny fifidianana. Tsy midika hoe milamina, hoy izy, ny fitantanana ao amin’ny federasiona na dia nandeha aza ny CAN tamin’ny 2019 na ny CHAN 2023. “Mikorotana ambony ambany ity rafitra ity; raha tsy hiteny afa-tsy ny Pro League. Mila apetraka ny fitsipi-dalao izay vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy hatrany Faneva Ima.
?Andriatsima Faneva Ima
Partagez :
Njaka Randria