Mozika »Rock »: homena sehatra ny vehivavy

- 4 août 2022
Hampahafantarina ireo vehivavy malagasy miangaly ny mozika »Rock » amin’ny alalan’ny seho »Lady rock show », hatao etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, amin’ny sabotsy 6 aogositra no hanatanterahana izany.
Tarika telo no hiara- hanafana sehatra amin’io fotoana io. Anisan’izany ny tarika Loharano, The Roar, ary i Erica, izay vehivavy efa samy miangaly ny gadona »Rock » avokoa. Kendren’ny mpikarakara ny hampiroboroboana ity gadona ity. »Tanjonay ny hampiakatra ny lanjan’ny rock sy ny metaly eto Madagasikara, ary hanamafy ny firaisankinan’ny mpankafy rehetra », hoy ny mpikarakara. “Teny faneva entinay rahateo ny “All for one, and one for all” izay azo adika hoe ny daholobe ho an’ny tsirairay, ary ny tsirairay ho an’ny daholobe”, hoy hatrany izy.
Hanokatra ny sehatra amin’io sabotsy io ny tarika Jonjorombona, mpiangaly ny mozika rock efa ela tsy re firy. Hivahina amin’ny hetsika koa ny tarika Vimiaina, tarika vao misandratra amin’ny tontolon’ny mozika rock. “Seho voalohany ho anay io ary tsy ataonay ambaninjavatra ny fikarakarana rehetra, na eo amin’ny fandaminana ankapobeny na eo amin’ny lafiny teknika, ny fanamafisam-peo sy ny jiro ary ny haingon-tsehatra”, hoy ny mpitantana sady mpanakanto, Aina Nirina.