Mosary : nidina tany Midongy Atsimo ny Praiminisitra

  • 10 octobre 2022

Nidina tany amin’ny  distrikan’i Midongy Atsimo, faritra Atsimo Atsinanana, ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny 7 oktobra lasa teo, niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy amin’ny governemanta, nijery ny zava-nisy tao amin’ny kaominina Lavaraty, Saokibany ary Molirano.

Araka ny fantatra dia nahitana trangana mosary tamin’ireo kaominina ireo. Nifampiresaka tamin’ireo solon-tenam-panjakana sy ny vahoaka ny lehiben’ny governemanta. Fantatra, araka izany, fa isan’ny voka-dratsy nateraky ny rivodoza Batsirai sy Emnati ny zava-misy any an-toerana.

Tapaka fa hisy ny komity manokana hanadihady ny tranga amin’ireto kaominina telo ireo, hahafantarana ny tena zava-misy marina sy hanolorana vahaolana haingana sy maharitra ho an’ny mponina any an-toerana.

Efa nisy, ankaoatra izay, ny fanampiana vonjimaika avy amin’ny fitondram-panjakana nandritra izao fandalovana izao.

 

Partagez :
Mahandry