Morondava : tonga ao Antsakoameloky ny hazavana

  • 1 octobre 2023
Hampihena ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny fokontany Antsakoameloky, Morondava , ny nahazoana  » Lampe Cobra » miisa 15 avy amin’ny fitondram panjakana. Mazava tanàna, ary manana endrika vaovao.
 Isan’ny lasibatry ny fanafihana, toy ny halatra omby sy vaky trano ity fokontany ity hatry izay. Heverina hanampy ny ady atao amin’izany ny fisian’ny hazavana amin’ny alina, miampy ny paikady samihafa efa apetraka.
Nohamafisin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mpiahy ny faritra Menabe Haja André Resampa fa manakaiky ny vahoaka ny fitondram- panjakana ka vonona hamaha ny olana misy. Manampy ny ezaka fampandrosoana ny faritra ny toy izao, hoy ny Goverinora Randriantsoa Serge Lucky.
Nandritra izany no namalian’ny minisitra ny hetahetan’ny mponina. Hanamboarana birao ny lehiben’ny fokontany ary hasiana jiro izany mba hahafahana mampiasa solosaina sy « imprimante » , hanatsarana ny asa. Hisitraka izany avokoa ny fokontany amin’ny distrika rehetra ao Menabe, hoy ny minisitra.
Partagez :
Romuald