Mondial Basket U-19 : lasan’i Espana ny amboara

  • 3 juillet 2023

Resin’i Espana teo amin’ny lalao famaranana i Frantsa. Niady dia niady ny lalao ary tsy maintsy niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Ry zareo espaniola no tafavoaka ary nisaraka tamin’ny isa 73-69. Izan Almansa Perez(Espana) no lany ho mpilalao mendrika indrindra na MVP. Marihina fa nandresy foana ry zareo espaniola tamin’ny lalao 7 natrehany.

Ny baolina very sy ny tsy fahombiazana teo amin’ny “lancers-francs” no tena lesoka teo amin’ny ekipa frantsay. mbola laharaha faharoa toy ny tamin’ny 2021 ihany izany ny “Bleuets” tamin’ity taona ity.

Ry zareo be kintana kosa dia niondrika nanoloana an’i Turkie nandritra ny lalao fiadian-toerana. 84-70 ny isa teny amin’ny solaitrabe, laharana faha efatra izany ny Amerikana izay tompon-daka indroa nisesy.

Ho an’ny malagasy, na dia tsy nahazo ny amboara ary isika ary teo amin’ny laharana faha14 dia nisongadina i M’Hadi nandritra ity fifaninanana ity. Isa 24,1 isaky ny lalao no vitany.

 

Partagez :
Mahandry