MJS: tsy ekena ny fanaovana takalon’aina ny baolina kitra malagasy

  • 31 août 2021

Nanambara ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena androany, tao anatin’ny pejy Facebook-ny fa “tsy ekena ny fanaovana takalon’aina ny baolina kitra malagasy ho entina miaro ny tombotsoan’olona iray manokana”. Hatramin’izao ora izao, hoy ihany ny voalaza ao, dia mbola tsy hita taratra mazava ny fanomanana ny lalao sy ny fitaterana ny BAREA amin’ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenena Tanzaniana, izay hotanterahina amin’ny 07 septambra 2021 ho avy izao, izay ny FMF no tokony hiandraikitra ny fikarakarana izany.

Araka ny fanazavan’ny Minisitera ihany koa dia afaka niatrika ireny lalao iraisam-pirenena maro tamin’ny lasa ireny ny Barea nohon’ny fanohanan’ny fitondram-panjakana malagasy azy ireo. Koa melohin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ireo fihetsika manimba sy manapotika ny baolina kitra malagasy.

Tsy fandraisana andraikitra, tandrevaka, sakan-tsakana samihafa, fikorontanana ara-pitantanana no hita sy tsapa teo anivon’ny fitantanana ny Baolina kitra malagasy eo anivon’ny FMF araka ny fanazavana hatrany. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia miantso fitoniana sy firaisan-kina avy amin’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ho fanohanana ny ekipa malagasy Barea ny Ministera izay milaza ny fahavononany amin’ny ny fanandratana avo ny voninahim-pirenena amin’ny alalan’ny Fanatanjahatena.

Partagez :
Mahandry