Mitohy hatrany ny dian’ny fiarabe « Caravane médicale »

  • 2 août 2023

« Fahasalamana manakaiky vahoaka » anisan’ny velirano napetraky ny Filoha malagasy Andry Nirina Rajoelina. Fitsaboana maimaim-poana sy fizahana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra no tolotra entin’ity fiarabe mitety ireo distrika maro manerana ny Nosy.

Olona 1 580 nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana nandritra ny fandalovan’ny fiarabe « Sarobidy ny Aiko » tao amin’ny tananan’Ambositra. « Sarobidy ny Aiko »  dia asa sosialy sy ara-pahasalamana, izay taritin-dRamatoa Rajoelina Mialy, filoha mpanorina ny Association Fitia ary miara-miasa amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Ankoatr’izay, misy ny hetsika fanentanana ho an’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-vavy (VBG). Araka izany, tsy mijanona hatreo ny hetsika fa mbola mitohy hatrany ny dia ho an’ny rodorodon’ny fahasalamana, mihazo ny Atsimo sy ny Avaratra ny Nosy izy ireo amin’izao.

Raha ny tao Antsohihy dia olona miisa 1 901 no noraisina an-tanana maimaipoana ary 5 703 kosa ireo olona voaentana mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy (VBG)

Sary fanehoana : Association Fitia.

Partagez :
Mahandry