Miroso ny asa fametrahana ny ” groupe” 4 ao Andekaleka

  • 23 septembre 2022

Vita hatramin’ny 78 isan-jato ny fametrahana ny “groupe” faha 4 ao Andekaleka raha ny tombana nataon’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny orinasa Jirama, Radanielina Rivo sy ny mpiara-miasa aminy. Milina vaovao hanampy ny vokatra herinaratra ao amin’ny tambazotra iraisan’ Antananarivo izy ity.

Hiampy 33,2 MW ny vokatra herinaratra avy ao Andekaleka rehefa vita ny asa. Ho lasa 120 MW noho izany ny vokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Anisany tombotsoa ho azo amin’ny “groupe 4″ ny fampihenana ny fampiasana solika satria dia angovo azo havaozina no ampiasaina. Asa manaraka mbola ho atao ny fametrahana ny ” turbines”, ny vata fibaikoana ary ny vata mpanova herinaratra. Eo koa ny fametrahana ilay fitaovana lehibe mampitohy ny fantsona amin’ny ” turbine ( vanne de garde de sphérique)”, sy ny fampifandraisana ny fitaovana mpanova sy ny mpitondra herinaratra ( raccordement GIS) ho an’ny milina G3 sy G4.

Raha tsiahivina, asa natomboka taorian’ny fahamaizana vata mpanova herinaratra tao amin’ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano ao Andekaleka ity atao ity. Natao vahaolana ho amin’ny ho’avy satria aorian’ny fametrahana ity milina faha 4 ity dia ho afaka hanajanona milina iray hanaovana asa fikojakojana ny teknisianina. Atao amin’ny fotoana tsy maha-be ny fampiasana herinaratra izany.

Partagez :
Mahandry