Minisitra Imbiki Herilaza: “Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”

  • 10 novembre 2021

 “Tsy misy gadra politika eto Madagasikara fa teritery ara-politika no ataon’ireo mpisehatra voakasika izany”.

Tsy misy gadra politika eto Madagasikara ankehitriny raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsaràna omaly. Hatreto hoy izy dia “heloka tsotra no nanamelohan’ny fitsaràna ireo voapanga (infraction de droit commun) rehefa nojerena ny taratasin’ady na io ho an’ireo mpanao politika na io mpanao gazety.” “Ary tsy noho ny fanehoan-kevitra ara-politika na tanatin’ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety, izany hoe tsy tamin’ny maha mpanao gazety na tamin’ny maha mpanao politika no nanenjehana sy nanamelohan’ny fitsaràna olona iray.”

“Mahaleotena amin’ny asany ireo mpitsara mpamoaka didy, ary tanjona efa napetraky ny fanjakana amin’ny ahalalan’ny minisitera mpiandraikitra ny fampanajana izany. Ary ireo mpanao politika rehetra dia tokony handala ny fahaleovantenan’ny mpitsara izay koa, fa tsy hitsabaka na hanao teritery manoloana ny raharaham-pitsaràna iray.”

Partagez :
Mahandry