Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga: Sampan-draharaham-panjakana 4 nofoanana
- 13 janvier 2022
Sampan-draharaham-panjakana 04 miankina amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga no nofoanana, araka ny voarakitra anatin’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra androany 12 janoary 2022. Tafiditra anatin’izany ny Centre d’Etude et de Développement de la Pêche (CEDP), Unité de Recherche Langoustière (URL), Unité de Statistique Thonière d’Antsiranana (USTA), ary ny Observatoire Economique de la Pêche et de l’Aquaculture (OEPA).
Nambara tao anatin’izany fa azo atao ny mametraka fiadidian-draharaha (direction) hiandraikitra ny asan’ireo sampan-draharaha (Organismes rattachés) ireo.
Aorian’izao fanafoanana izao dia 05 sisa ny sampan-draharaha miankina amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga, dia ny Autorité Sanitaire Halieutique (ASH), Centre de Surveillance de Pêche (CSP), Agence Malgache de la Pêche et de l’Aquaculture (AMPA), Centre de Distribution des Produits Halieutique de Majunga (CDPHM) ary ny Centre de Développement de l’Aquaculture (CDA).
Mahandry