Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro : mitana anjara toerana lehibe amin’ny firindran’ny toetr’andro ny ala

  • 2 mars 2024

Mpiasan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro (MTM) sy avy amin’ireo ratsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Fitaterana no namboly hazo 1.500 fototra tany Tsinjony. Ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry sy ireo mpiara-miasa aminy no nitarika izany. Mpiasa manodidina ny 1.000 eo no tonga namboly hazo avy amin’ny MTM sy avy amin’ireo ratsa-mangaika SY “Concessionnaires” izay nahitana ny ATT, ACM, APMF, ASECNA, ENEAM, SOFITRANS, SPAT, MÉTÉOROLOGIE, SMMC, MADARAIL, ADEMA.

Nanambara ny Minisitra, fa : ” amin’izao fiovaovana sy fikorantanan’ny toetr’andro izao dia zava-dehibe izao fambolen-kazo izao noho ny faharavan’ny ala voajanahary eto Madagasikara. Isan’ny mitana anjara toerana lehibe amin’ny firindran’ny toetr’andro ny ala ka izany no mahatonga ny Fanjakana manao ezaka amin’ny fambolen-kazo. Manentana antsika rehetra hamboly hazo noho izany. Nosafidiana ny hazo Acacia hovelana noho ny tombontsoa azo avy aminy”.

Ankoatra izay dia misy fiatraikany amin’ny fitaterana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Rehefa fitoam-pahavaratra tahaka izao dia miakatra ny rano, miteraka fahatapan’ny lalana sy fiatoan’ny fifamoivoizana an-dalamby vokatry ny fihotsahan’ny tany. Mety hiato ihany koa ny fitaterana an-habakaba sy an-dranomasina.

Partagez :
Mahandry