Miellerie de la Grande Ile: Mpiompy tantely 35 nahazo fiofanana

  • 17 septembre 2021

Mpiompy tantely 35 no miofana miaraka amin’ny Miellerie de la Grande Ile, izay  mpisehatra matihanina amin’ny famokarana tantely manaraka ny kalitao fanondrana any ivelany.  Aorian’ny fiofanana dia omen’ny orinasa tranon-tantely ireo tantsaha ahafahany mamokatra any amin’ny toerana misy azy.

Arahimaso ny tantely vokarin’ ireo tantsaha ; raha manaraka ny fenitra iraisan-pirenena dia vidian’ny orinasa hanatevenana ny vokatra aondrana any ivelany. Raha tsy mahafeno ny fepetra kosa dia avadika ho sakafon’ny tantely ihany ahafahana manatsara hatrany ny seha-piariana.

Maharaka amin’ny famatsiana ny tsena eto antoerana sy ny any ivelany ny tantely vokarin’ny Miellerie de la Grande Ile. Mandray anjara eny amin’ny FIM ity orinasa ity, mizara traikefa amin’ny fanatsarana ny lala-pihariana tantely eto Madagasikara.

Partagez :
Mahandry