Micose profonde : eto Madagasikara no ahitana ny tranga betsaka indrindra

  • 9 novembre 2021
Madagasikara no ahitana ny aretin-koditra antsoina hoe “micose profonde” betsaka indrindra maneran-tany. Io no hita vokatry ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana manokana mikasika izany.
Noho ny toe-tany eto no isan’ny antony mampirongatra azy io hoy ireo mpitsabo. Maharitra aman-taonany ny fitsaboana io aretina io.
Tamin’ny taona 1940 no nahitàna ity aretin-koditra ity voalohany. Vitsy ny mpitsabo manokana mitsabo ny aretin-koditra eto Madagasikara raha ny nambaran’ny Profesora Pelanoro Rabenja. Efa misy anefa ny fianarana manokana mikasika ny fitsaboana hoditra eto amintsika ary hivoaka tsy ho ela ireo mpianatra. Tanterahana anio ny fankalazana ny faha 20 taonan’ny fikambanan’ny mpikirakira ny aretina mahavoa ny hoditra sy ny mpikirakira ny tambajotra misahana ny fitsaboana.
Manatanteraka ny kongresy faha 16 ireo mpitsabo manokana sy mpikaroka izay haharitra 2 andro.
Partagez :
Mahandry