Social

Miato ny fifamoivoizana eny Antaninarenina manomboka amin’ny 6 ora hariva

Mba hisitrahan’ny be sy ny maro ny seho jiro eny an-toerana dia hatsahatra manomboka amin’ny 6ora hariva ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra manodidina an’Antaninarenina manomboka anio, ka hatramin’ny 2 Janoary 2022.

Voakasik’izany ny lalana Paul Dussac, manoloana ny masoivoho  BOA;  ny lalana Avenue Général Rabehevitra, manoloana ny banky BFV; ny lalana  »Avenue Revolisionera Sosialista Malagasy », manoloana ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Lapa Ambohitsirohitra; ary ny lalana Ratsimilao, manandrify ny Paositra Malagasy.

Misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana mandritra ny tontolo andro. Miverina amin’ny laoniny kosa izany manomboka ny 3 Janoary.

Misy ny toeram-piantsonana natokana ho an’ny fiara eo amin’ny Roxy Antaninarenina sy ny sisiny miakatra miakatra hatreo amin’ny BOA. Voarara kosa ny mijanona amin’ny sisin-dalana ankoatra ireo voalaza ireo

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer