Miantso ny Malagasy manontolo sy ny mpiara-miombona antoka hijery akaiky ny zokiolona ny minisitry ny Mponina.

  • 1 octobre 2023
Manodidina ny 1.150.000 ny isan’ny zokiolona 60 taona noho mihoatra manerana an’i Madagasikara, araka ny antontanisa tamin’ny taona 2018. 4,5 isan-jaton’ny mponina, araka izany, no zokiolona.
Ny 1 oktobra no andro natokan’izao tontolo izao ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe: “Misokatra eo anivona sokajin’olona maro samihafa ho fandavorariana ny fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena”.
“Omena lanja ny zokiolona amin’izao fankalazana ny andro iraisampirenena ho azy ireo izao”. “Raiso izy ireny. Henoy izy ary tohano. Aoka hisokatra amin’ny fampiatiana na fampidirana azy ireo ao anatin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina isika, fa izany no isan’ny antoka iray hampaharitra ny fampandrosoana ” hoy ny minisitry ny Mponina Soafilira Princia nandritra ny kabariny androany.
Entanina, araka izany, ny olom-pirenena rehetra hanokana 60 minitra ho fankasitrahana azy ireo ka hiaraka hanatanteraka hetsika hanampiana azy ireo eo amin’ny fiainany.
Miantso ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka koa ny minisitera hiara-hientana amin’ny fanohanana ireo zokiolona raiamandreny ireo amin’ny lafiny rehetra. Tanjona ny hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fampandrosoana.
Partagez :
mialy