MGA – SOUS-CEMA vaovao: Laharam-pahamehana ny famondronan-kery eo amin’ny tafika amongorana ny asan-dahalo manerana ny Nosy.

  • 1 septembre 2021

Nandray ny asany omaly 01 septambra  teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika Andohalo ny Mazaoro Jeneralin’ny Tafika (MGA), ny Amiraly Assanaly Bemarivo Jeannot sy ny Lefitry ny sampan-draharan’ny iraka (SOUS-CEMA), ny Jeneraly Andriamasina William eo anivon’ny Etamazaoro, araka ny didim-panjakana nivoka ny 18 aogositra 2021 farany teo izay nanendrena azy ireo.

Laharam-pahamehana ho azy ireo ny fanambarana ny hery eo amin’ny mpitandro filaminana mba hamongorana ny asan-dahalo manerana ny Nosy, araky ny toromariky ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin.  Azo lazaina ho tsy vaovao amin’izao andraikitra izao ireo vao notendrena ireo, hoy izy, satria efa manana ny fahaiza-manaony noho izy ireo efa nisehatra teo anivon’ny Etamazaoro; ary afaka hanafaingana ny fanatanterahana ny asa amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Ny andraikitry ny MGA (Major Général de l’Armé) dia manampy ny CEMA  (Chef d’Etat Major de l’Armé) amin’ny asa sahaniny, indrindra amin’ny fanatanterahana ny fanovan-drafitra ho famerenana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, hisian’ny fapandrosoana.

Ny SOUS-CEM kosa no manomana ny baiko ampitaina amin’ireo fari-piarovana sy fandriam-pahalemana (ZDS) miisy 10, izay alefan’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, manetsika ny miaramilala hanatanteraka iraka sy ny fitsirihana ny fari-dranomasina sy faritra ana habakabak’i Madagasikara.

Partagez :
Mahandry