METFP : Notolorana mari-piofanana ireo mpanao tao-trano ao anatin’ny fandaharan’asa « Club des maçons »

  • 4 août 2023

Mpiofana mpanao taotrano  miisa 30 nanaraka ny fandaharan’asan’ny CEMENTIS, Club des Maçons indray no notolorana mari-piofanana omaly 03 aogositra 2023  tao amin’ny Petit Amphi Ampefiloha.

Mifanome tanana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiofanana ara-kalitao ny METFP sy ny CEMENTIS  , izay mampihatra ny Velirano 4 sy 6 rahateo . Nanomboka ny taona 2021 ny fiaraha-miasa teo amin’izy ireo, taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mamaritra ny fanamarinana sy fankatoavana ny mari-piofanana. Ankoatra izay, dia misy  koa ny fanamboarana na fanarenana ireo CFP maromaro toy ny any Mananjary, any Toamasina, any Toliara ary any Fianarantsoa.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana  Vavitsara Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy  François de Lesquen, Tale Jeneralin’ny CEMENTIS Madagascar.

Noforonina mba hahafahana  manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo amin’ny taotrano sy ny asa vaventy ary manome fahafahana tsara kokoa ho an’ny mpiasa ary miantoka ny fanatsarana ny loharanom-bolany ny fandraharanasa « Club des Maçons ».

Partagez :
Mahandry