Mendrika tohanana ny zokiolona

  • 2 octobre 2022
Mendrika tohanana ny zokiolona noho izy ireo nikolokolo, nitaiza ary nanabe hoy ny minisitry ny mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. Soafilira Princia.
Tao Mandritsara ny ivon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona ny 1 oktobra. ” Fanohanana ny zokiolona mankany amin’ny fampiatiana sy ny fahafahana miatrika ny fampandrosoana” no lohahevitra novoizina nandritry ny fankalazana.
Nomarihina tamin’ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ny zokiolona ny lanonana. Tamin’izany koa no nanolorana loka ho an’ireo zokiolona nandresy tamin’ny fifaninana natao mahakasika ny fomba amam-panao tao an-toerana.
Zokiolona 2000 isa no nisitraka tohan’aina, lamba fitafy, lamba firakotra ary satroka avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny mponina. Nisy koa ny fanolorana kidoro 200 isa ho an’ireo sojabe tao an-toerana.
Ankoatra ny fanohanana ny zokiolona, notolorana tohana ara-bola nandritry ny lanonana koa ireo tanora sy fikambanam-behivavy ary olona manana fahasembanana ao Mandritsara.
Partagez :
Mahandry