Menabe : 15% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika

  • 20 janvier 2022

30 hatramin’ny 31% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka ary 15% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika ao amin’ny faritra Menabe.

Voasokajy ho faritra fahefatra ity faritra ity eo amin’ny tsy fanjariantsakafo aorian’ireo faritra 3 any atsimon’ny Nosy. Ireo no fantatra nandritra ny fihaonana voalohany nataon’ny vondrom-paritra mpanara-maso sy mpanao tombana ny tsy fanjarian-tsakafo ao Menabe. Anisany antony mahatonga izany ny tsy fandriampahalemana ka mahatonga ny olona hifindra monina, vitsy ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny faritra. Eo koa ny tsy fahampian’ny orana ka mampihena ny sakafo ho an’ny tantsaha araka ny nambaran’ny mpandrindram-paritry ny tsy fanjarian-tsakafo ao Menabe, Rafidison Tsiry.

Hamafisina noho izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka AD2M amin’ny fanaparitahana ny vomanga mavo sy zava-maniry ahazoana sakafo sy ny fiompiana haingam-piodina. Fianakaviana maherin’ny 700 no efa nahita tombotsoa tamin’ireo teknika ireo tamin’ny taona 2021.

Partagez :
Mahandry