MEN- Fondation Orange solidarité : Tafarina ireo sekoly ravan’i Batsirai

  • 27 juillet 2023

Tontosa ny omaly, alarobia 26 jolay 2023 teo, ny fitokanana ireo  sekoly miisa 6 ao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Mananjary ary sekoly miisa 4 ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Manakara.

Sekoly izay nohavaozina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai farany teo. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny “Fondation ORANGE solidarité Madagascar” sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Vatovavy sy Fitovinany izany.

 Dimy ambin’ny folo taona niaraha-niasa amin’ny fanatsarana ny fanabeazana ankehitriny ny roa tonta, ary sekoly maherin’ny efa-jato no efa niarahana natsangana sy nokolokoloina ankoatran’ireo sekoly nomerika azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny “Fondation ORANGE solidarité » ihany koa.

Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle dia maneho ny fankasitrahana sy fankatelemana ho an’ny Filoha mpanorina ny “Fondation ORANGE solidarité Madagascar” sy ny mpiara-miasa rehetra izay niara-dàlana hatrany tamin’ny fanarenana sy fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.  Nanolotra izany fotodrafitrasa izany amin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ramatoa Minisitra

« Hita sy tsapa ankehitriny fa mihatsara ny vokatry ny tontolo ny fanabeazana noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka miaraka amin’ireo ezaka izay ataon’ny Fitondram-panjakana raha tsy hilaza hafa tsy ny voka-panadinana BEPC sy CEPE farany teo, izay nahitana fiakarana tokoa » hoy izy.

Mendrika ny hisitraka fotodrafitrasa tsara kalitao tokoa ireo zaza Malagasy mba hampazoto azy ireo handeha an-tsekoly. Ireo mpanabe ihany koa dia mendrika toeram-piasana mendrika mba handrisika azy ireo hiasa sy hanolo tena bebe kokoa. Araka izany dia entanina ireo mpisitraka ny fotodrafitrsa rehetra mba hikoloko sy hanaja izany.

Nampanantena ny “Fondation ORANGE solidarité Madagascar” fa hihamafy sy hitohy hatrany ny fiara-misalahy amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara.

Partagez :
Mahandry