Fiarovana ny fari-dranomasin’i Melaky: anompanana ezaka manokana

  • 29 août 2022
Hametrahana tsena manara-penitra sy “Chambre froide” ahafahana mitahiry ireo vokatra hazandrano ao Maintirano hialana amin’ny fahasimbana izay miteraka faty antoka ho an’ireo mpisehatra hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga nandritra ny fandalovany tany an-toerana androany 29 aogositra.
Nanolotra fitaovana samihafa ihany koa ny Fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga. Isan’izany ny lakana haingam-pandeha enti-manara-maso ny fari-panjonoana; fitaovam-piarovana feno ho an’ny mpanjono madinika; radio mandeha amin’ny herin’ny masoandro ahafahana manara-baovao momba ny toetrandro sy misy bokotra tsindriana rehefa hiantso vonjy manoloana ny loza mety hitranga.

 Fiarovana ny fari-dranomasin’i Melaky: anompanana ezaka manokana

Anisan’ny manana fari-dranomasina midadasika sy ahazoana trondro amin’ny karazany maro ny ao amin’ny faritra Melaky. Sakana tamin’ny faraha-maso ny karazana jono tsy ara-dalàna anefa hatramin’izay ny tsy fisian’n’y fitaovana. Manoloana izany dia tonga tao Maintirano  ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, nanatitra ny lakana haingam-pandeha hanaraha-maso ny sisin-dranomasina, taorian’ny fametrahana ny anjaran’i Morondava ny faran’ny herinandro teo. Argos 710, iray amin’ireo lakana 7 aparitaka amina moron-tsiraka maromaro eto Madagaiskara, toa an’i Morondava, Toliara, Maroantsetra, Nosy Be… Namboarina teto an-toerana, tamin’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa SWIOfish2 izy ireo. Marihina fa mbola najanona ao Morondava ilay Argos 710 ho an’i Melaky, noho ny haratsin’ny toetrandro.

Ankoatra izay, anisan’ny hahazo amin’ireo “Vedette de sauvetage” 21 haparitaka manerana ny Nosy koa ny ao amin’ny faritra Melaky, hoy ny minisitra. Efa mandeha ny fiantsoana tolo-bidy amin’ny fanamboarana ireo lakana ireo amin’izao.

 

 

 

 

Fiarovana ny mpanjono amin’ny loza: nomena salotra aina sy radio misy bokotra fiantsoana vonjyaina (sos) ny mpanjono

Manao tohy vakana ny fizarana fitaovana fiarovana ny mpiandriaka nataon’ny minisiteran’ny Jono tato ho ato, ho fiarovana ny ain’izy ireo manoloana ny loza mateti-pitranga any am-panjonoana. Salotra vonjy aina miisa 100 no natolotra ho an’ny mpanjono ao Ampasimandroro, Maintirano androany. Nahaho radio mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy azo vatsina herinaratra ahodin-tanana koa izy ireo.

Ilaina amin’ny fanaraham-baovao momba ny toetrandro ny Radio, hoy ny minisitra. Misy bokotra azo tsindriana koa eo aminy raha sendra misy loza ilana vonjy aina, ary mandefa feo miantso vonjy izany. Ankoatara izay, misy jiro mazava koa main’ny Radio, izay manampy ny ankohonana rehefa misy fahatapahan-jiro na olana amin’ny hazavana.

Anisan’ny miteraka loza ho an’ny mpanjono ny tsy fahafantarana ny toetrandro na ny fivadihan’ny toetrandro tampoka. Mijery lanitra no ataon’ny mpanjono hatramin’izay alohan’ny hiaingana, nefa mety mivadika tampoka ny toetrandro hita amin’izany.

Ho vaha olana azo antoka dia hametraka “Peneaux metéorologiques” miisa 3 000 amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ny Fitondram-panjakana. Fantatra amin’ny alalan’ny sary miseho amin’io takelaka io ny toetrandro. Raha ratsy, ohatra ny ranomasina, dia sary ranomasina manonja no miseho eo; miloko mena izy, raha mahery ny rano; miloko volomboasary raha antonontonony; miloko mavo raha tony; ary miloko manga raha tena tsara.

Lakana  nohatsaraina: tetikasa hanala fahasahiranana  ny mpanjono

Miha lany tamingana ny “farafatsy”, izay hazo fanaovana lakana any amin’ny faritra Melaky. Tsy azo kapaina intsony izay mbola mijoro, ho fiarovana ny tontolo iainana. Sahirana, araka izany, ny mponina amin’ny fitadiavana lakana hampiasaina. Tafakatra 800 000 ariary ny ahazoana lakana iray, hoy ny mpanjono.

Vaha olana aroson’ny minisitera ny fanamboarana lakana nohatsaraian (pirogue amélioré), araka ny toromariky ny filoham-pirenena. 2 000 no atao andrana, ary anisan’ny hahazo amin’izany ny faritra Melaky. Mahatratra 10 hatramin’ny 15 taona ny faharetan’io lakana io. Sady maivana, koa izy io no maharitra, hoy ny fanazavana. Mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjono izany tetikasan’ny minisitera iznay, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo.

Sahirana amin’ny harato ampiasaina koa ny mpanjono amin’izao. Harato 50 000 no hozaraina main’ny mpanjono manerana ny Nosy hoy ny minisitra. Hotohizana amin’ny taona manaraka izay mbola tsy mahaoz amin’io andiany voalohany io.

Tsena manara-penitra sy trano fitehirizana: hanatsara ny varotra sy hialana amin’ny fahasimban’ny vokatra  

Vesatra ho an’ny mpisehatra amin’ny jono sy ny mpivarotra trondro any Melaky ny tsy fisiann’ny trano fitahirizana ny vokatra tsy lafo. Simba ny ankamaroan’ny trondro noho izany. Ho fanatsarana ny varotra dia sady miantso ny mpandraraha vonona hisehatra anatin’ny fangaraharana sy hijery ny tombon-tsoan’ny zanak’i Melaky ny minisitera no hanamboatra tsena manara-penitra

Ankoatra izay, hisy koa ny fametrahana trano fitehirizana na « Chambre froide » mba tsy hisian’ny fahahsimban’ny vokatra tsy lafo. Eo koa ny mba hialana amin’ny fanaovana varo-boba mahafanty antoka. Manodidina ny 2000, hatramin’ny 3 000 Ariary, izao, ohatra, ny tokon’ny orana any Maintirano.

Partagez :
Mahandry