Economie

Melaky : ho vita indray andro ny taratasy famoahana sy fanondranana vato

Antananarivo, 18 may 2021 (DDIT): Vitaina anatin’ny iray andro manomboka izao ny fikarakarana ny antotan- taratasy rehetra mahakasika ny famoahana sy fanondranana vato ao anatin’ny faritra Melaky. Anisan’ny notapahana io nandritra ny dinidinika niarahan’ny Governoran’ny faritra sy ireo mpitrandraka vato, androany. Teboka maromaro no voadinika tao anatin’izany izay miompana hatrany amin’ny fampanarahan-dalàna ny sehatry ny fitrandrahana vato ao amin’ny Faritry Melaky. Fametrahana fiaraha-miasa matotry ny roa tonta nahatongavana amin’izao fiaraha-miasa izao.

Articles similaires

Laisser un commentaire