MDN-Tsiroanomandidy: hatao laharam-pahamehana ny fampandrian-tany amin’ny kaominina mafana amin’ny asan-dahalo.

  • 6 septembre 2021

“Apetraka ho laharam-pahamehana ny fampandriana fahalemana ny kaominina mbola tena mafana amin’ny asan-dahalo any Tsiroanomandidy”,hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, nandritry ny fitsidihana nataony tao amin’ny renivohitry ny faritra Bongolava ny 6 septambra.

Hohamafisina amin’izany ny paikady mifandraika amin’ny fanitsian-drafitra ka atao vain-dohan-draharaha ireo faritra mena ireo. Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena amin’ny tokony ho fifandrimbonan’ny ankolafin-kery rehetra amin’ny famongorana ny tsy fandriam-pahalemana.

Mbola manjaka ny asan-dahalo ho an’ny faritra Bongolava manokana, indrindra any amin’ny kaominina manodidina, toy ny an’i Bevato, Ampamoizankova, Belobaka ary Andranomavokely.

Tafiditra anatin’ny fanohizana ny fitsidiham-paritra ataon’ny Jeneraly Rakotonirina Richard ity diany tany Bongolava ity. Fomba izay entiny manamafy sy manazava ny fanitsian – drafitra eo anivon’ny Foloalindahy. Nampahafantarina tao koa ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika vaovao, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana ao Tsiafajavona, ny Jeneraly Rafalimanana León, ary ny solontena miaramilam-paritra 4 : Bongolava , Itasy , Vakinankaratra ary Amoron’i Mania .

Partagez :
Mahandry