MDN Stadium” Betongolo: notokanana tamin’ny fankalazana ny andron’ny Manambononahitra

  • 12 janvier 2024
 Nomarihina tamin’ny fitokanana ny “MDN Stadium” Betongolo ny fankalazana ny 12 janoary andron’ny Manamboninahitra ho an’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja baolina kitra lalaovina olona 7, miampy kianja ho an’ny taranja “Basket-ball” lalaovina olona 3 izy ity.
 « Hisokatra ho an’ny rehetra ny MDN Stadium, araka ny nambaran’ny minisitra, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa . Natao izao hanomezan-danja ny tanora. Kendrena amin’ny fananganana kianja toy izao ny hiseharan’ny tanora lalindalina kokoa amin’ny fanatanjatena sy ny kolotsairna. Tafiditra anatin’ny asa sahanin’ny minisitera rahateo ny fanatanjahatena sy kolotsaina. Manamafy izany ny fitaleavan’ny Ôfisi-miaramila misahana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, izay eo ambany fiadidian’ny Jeneraly Joasitera Rolando.
 Hananana tanjaka hanatanterahana ny tanjona “Madagasikara tsy maintsy mandroso”, izay tarihin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, ny vahoaka malagasy koa izany, hoy ny fanehoan-kevitra.
Partagez :
Sissie Raveloson