MDN : manamboninahitra 66 avy amina andiany 3 samihafa navoakan’ny Ivon-toerana Fanitaram-pahaizana ho an’ny manamboninahitra.

  • 18 septembre 2021

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 septambra tao amin’ny CEMESS Soanierana ireo manamboninahitra niofana tao amin’ny Ivon-toerana Fanitaram-pahaizana ho an’ny Manamboninahitra (Centre de perfectionnement des Officiers). Manamboninahitra 66 avy amina andiany telo samihafa ireto navoaka ireto ; dia ny mpiofana avy amin’ny andiany faha30 ao amin’ny CQOS (Cours de Qualification des Officiers Subalternes) miisa 32 mianadahy, ny avy amin’ny andiany faha 27 ao amin’ny  CFOC1 (Cours de Formation Complémentaire des Officiers) miisa 25 ary 9 mirahalahy avy amin’ny andiany faha14 ny CFCO2.

Naharitra 10 volana ny fiofanana ; ary hamonjy ny toeram-piasany manerana ny Nosy avy hatrany ny mpiofana aorian’izao. Anisany nampiavaka ireto andiany mivoaka ireto ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny ady amin’ny Kere tany Atsimon’ny Nosy sy nandritra ny ady tamin’ny valanaretina COVID-19.

Tanjona ny hananana manamboninahitra modely, matihanina ary tia Tanindrana mba hahamora ny fanatanterahana ny vinan’ny Tafika dia ny fanakaikezana ny vahoaka hiaro sy hifanome tanana amin’izy ireo.

Ny Ivon-toerana Fanitaram-pahaizana ho an’ny Manamboninahitra dia manofana ny manamboninahitra eo anivon’ny Tafika Malagasy mba hanana traikefa sy fahaiza-manao bebe kokoa rehefa mamita ny iraka ataony, indrindra fa amin’ny fitarihana ny olona eo ambany fibaikoany. Ireo izay ho Lehibe’ny Holafy (Commandant de Compagnie) sy ny Lehiben’ny Sakelika (Chef de Section) no ofanina amin’ity ivon-toerana ity.

Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard, sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, notronon’ireo lehibe isana ambaratongany eo anivon’ny Tafika.

Partagez :
Mahandry