MATP : mitohy ny fanarenana ny tetezan’i Mangalahenatra.

  • 28 novembre 2023

Anatin’ny fametaha ny « pont modulaire » ao Mangalahenatra ; teboka halavirandalana PK10+100, any amin’ny lalam-pirenena RNT14 mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, ny ekipan’ny « Direction d’Appui aux Urgences » (DAU) eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ankehitriny raha toa ka niroso tamin’ny fanalana ny tetezam-by teny an-toerana izy ireo taorian’ny asa fanamafisana « culée existante » sy ny fanitarana ny « pile » hilanja ny tetezana vaovao.

Tsiahivina fa tapaka ny fifamoivoizana amin’ny RNT14 izay efa nanomboka ny alarobia 22 novambra teo ary mitohy  hatramin’ny alakamisy 07 desambra ho avy izao ny fahatapahany noho ireo asa mandeha any an-toerana raha toa ka misy ny lalana natokana hiampitan’ny olona sy hahafahana mitatitra entana mandritra izany. Marihina fa tsy misy ny familian-dalana afaka handehanan’ny fiara mandritra ny fanamboarana.

 

Partagez :
Mahandry