Masoivoho Amerikanina : nahazo vaksiny fanampiny hiadiana amin’ny Covid-19 miisa 100 000 i Madagasikara

  • 8 juillet 2022

Vaksiny fanampiny Pfizer mihoatra ny 100 000 hiadiana amin’ny Covid-19 no tonga teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Mekanisma COVAX tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Vola avy amin’ny governemanta amerikana no nividianana ireo vaksiny ireo ary tafiditra anatin’ny ezaka ataon’ny fitondran’ny Filoha Biden hampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny Covid maneran-tany.

Nihoatra ny 2 200 000 ny isan’ireo vaksiny nomen’i Etazonia ho an’ny vahoaka Malagasy hatramin’ny volana jolay 2021. “Mandrisika ny vahoaka Malagasy hanararaotra ny fisian’ireo vaksiny maimaimpoana, azo antoka sy mahomby ireo ny tenako,” hoy ny Ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo. “Antoka amin’ny fandresena ity valanaretina ity sy ny fanarenana ny fiarahamonina ary ny fanomezana aina indray ny toe-karena ny fanaovam-baksiny faobe.” hoy hatrany izy.

Partagez :
Mahandry