Marovoay : efa mamokatra herinaratra ny « central hybride »

  • 8 décembre 2023

Manantombo amin’ny filan’ny mponina ny herinaratra avy amin’ny tobim-pamokarana Angovo azo havaozina vao natsangana ao Marovoay

Vita tanteraka, ary efa mandeha ankehitriny ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro sy solika (central hybride solaire/thermique) ao Marovoay. Avy amin’ny herin’ny masoandro ny 60%n’ny famokarana ao anatiny. Avy amin’ny milina mampiasa solika mavesatra kosa ny 40 %. Manana tanjaka 500KWc ny “central solaire” ary 1 500KW ny avy amin’ny solika.

Tanjon’ny ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo amin’ny taona 2024 ny hanaovana ho “hybride” tobim-pamokarana herinaratra miisa 78 manerana ny Nosy. Tanjona ny hampihenana ny fandaniana amin’ny fividianana solika sy ho fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro.

Miara-miasa amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Nambaran’ny tale iraisam-paritry ny Angovo Mahajanga , Vavizara Sylvie fa betsaka noho ny filan’ny mponina amin’ny herinaratra ny famokarana ao Marovoay ity. Heverina ny hahafahana mampiditra mpanjifa vaovao.

Partagez :
Mahandry