Manohana ny hetsiky ny PAT ny SECES

  • 7 octobre 2021

Maneho firaisankina amin’ny PAT (Personnel Administratif et technique) mikasika ny fitakiana ataony ny SECES araka ny fanehoan-kevitra nozarain’izy ireo tamin’ny gazety DDIT. “Izay mahazo azy ireo dia mahazo ny mpampianatra koa; toko telo mahamasa-nahandro ny mpampianatra, ny mpandraharaha ary ny mpampianatra; tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary” hoy ny filoha, Ravelonirina Sammy Grégoire androany araka ny resaka nifanaovana taminy tamin’ny finday.

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny olana ao amin’ny oniversite ny SECES io folakandro io ka milaza hanao fanambarana mikasika izay rehefa voarakitra an-tsoratra ireo fehin-kevitra tapaka rehetra.

Tsy mbola am-pelatanana ny ambangovangon’izay fa  araka ny nambaran’ity filoha ity hatrany dia hisy ny fitakiana ary hisy ny fanamarihana. Amin’ny ambangovangony,  manohana ny fitakian’ny PAT ny SECES.

Nanomboka tamin’ny Alatsinainy 4 oktobra ny fitokonana tanterahin’ny PAT raha tsiahivina.

Nilaza ny hanatanteraka onivesite maty izy ireo androany 7 oktobra sy rahampitso 8 oktobra. Raha ny androany manokana dia tsy tena tanteraka izany raha ny loharanom-baovao voaray. Mitohy izany ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Tsy tanteraka ny 4 oktobra araka ny daty voatondro ny fanombohan’ny taom-pianarana 2021-2022.

Partagez :
Mahandry