Mandraka : tsy azo andehanan’ny fiara be mifampitarika rahampitso

  • 6 juillet 2023

Tsy afaka hivezivezen’ny  fiara lehibe mifampitarika (véhicules articulés et avec remorques) ny lalana S an’i Mandraka lalam-pirenena faha 2 eo amin’ny PK 67+900  ny 7 jolay 2023 manomboka amin’ny folo ora maraina ka hatramin’ny efatra ora hariva hoy ny ministean’ ny Asa Vaventy.

Hisy fanamboaran-dalàna  atao eo amin’io toerana io. Afaka mandeha kosa ny fiara madinika . Hisy ny lamina hapetraka amin’izany ka tokony hanaraka ny toromarika eny an-toerana ny mpampiasa lalana mba hirindran’ny fifamoivoizana.

Partagez :
Sissie Raveloson