Manatantely : tratra ny mpandoro ala iray, karohina ny namany

  • 11 octobre 2022

Olona iray (1) tamin’ireo tomponantoka nandoro ala tao Manatantely, faritra Anôsy, no tratra. Mbola karohina ny namany, raha ny vaovao avy amin’ny tomponandraikitra any an-toerana. Vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fiasan’ny  »Cellule de crise » no nahatrarana ity olona ity.

Tsiahivina fa ny Alahady 9 oktobra teo no nitrangan’ny afo tany an-toerana, ary ny alin’ny Alahady no nitsangananan’ity  »cellule de crise » ity. Ankoratra izay, mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olona rehetra nahavanona nandrehitra afo tamin’ireo faritra arovana maro eto Madagasikara. Misy fiaraha-miasa amin’ireo tompinandraikitra isan-tsokajiny isaky ny faritra izany.

Efa misy koa ny komity miaro amin’ny fandorona ala isaky ny distrika sy ny faritra rehetra manerana ny nosy.  »Mbola mila, ary tokony hampiana sy hetsehana mafy ny rafitra efa napetraka isaky ny faritra. Miainga eny ifotony, hatreny amin’ny fokontany sy ny isam-batan’olona tsirairay ny ady amin’ny doro ala sy ny dorotanety. Tokony tsy hiraviravy tanana ny fokonolona. Ary tokony efa vonona hatrany ireo karazam-pitaovana entina hamonoana afo, mba ahafahana mandray andraikitra avy hatrany », hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Vina Marie-Orléa, manoloana ny tranganafo mateti-piseho tato ho ato.

Nambarany koa fa nidina ny velarana may tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny tany aloha, ary ny antontanisa avoakan’ny minisitera ihany no marina ». Androany 11 oktobra, namoaka salanisa sy ny mikasika ireo tebokafo niseho tamin’ny 9 oktobra ny ministera misahana ny Tontolo iainana. Miisa 1 054 izany, manerana an’i Madagasikara. Voalaza ao anatin’izany fa ny tapany andrefan’ny nosy no tena nahitana izany trangana afo izany, noho ny hafanana sy ny hain-tany be loatra.

Hita eo amin’ny saritany faharoa kosa ny mety ho toetry ny afo hiomanana sy hisorohana amin’ny mety hisian’ny firehetana vokatr’izany hafanana sy hain-tany izany.

Partagez :
Mahandry