Madagasikara: nisitraka fanampiana ara-bola mitontaly 334 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD

  • 27 janvier 2023
Vokatry ny fahombiazan’ny adisisika nataon’ny delegasionina notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Dakar, Senegal, no nahafahan’i Madagasikara nisitraka ny fanampiana ara-bola mitontaly 334 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), hoy ny fanampim-panazavana nentin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, androany.
Narahina fanomezan-toky avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’y fampandrosoana ny fambolena (FIDA) izany. Hanampy an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanomezana vola mitentina 200 tapitrisa dolara ity rafitra ity.
Hoentina hanamafisana ny ezaka efa natombok’i Madagasikara amin’ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-bary ireo tohana ireo. Naharesy lahatra ireto mpiara-miombonantoka ireto ny modely anatrarana izany vina izany, izay efa nampiharina mialoha ny dian’ny filoha sy ny delegasionina tany Dakar. Hanamafisana ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra eo amin’ny lafiny zezika sy masomboly ary fanomezana tany sy fampitaovana ireo tohana ireo.
Partagez :
Mahandry