Madagasikara – Inde: hizara traikefa sy hanome fampitaovana ho an’ny Tafika malagasy ny indianina.

  • 1 novembre 2023

Hisy tantsambo miaramila indianina ho avy eto Madagasikara ato anatin’ny roa volana misesy, hizara ny fahaiza-manaony amin’ny Tafika an-dranomasina malagasy. Anisan’ny hifantohana amin’izany ny fanazaran-tena momba ny fiarovana an-dranomasina.  Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa sy ny fanamby apetraky ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, hampiroborobo ny sehatry ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, mifanaraka amin’ny fanitsian-drafitra izany.

 

Fantatra ireo nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, sy ny masoivohon’i Inde miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu androany 1 novambra 2023 tetsy Ampahibe. Nojerena nandritra ity fihaonana ity ireo antsipirian-kevitra hamaritra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, mikasika ny fampitaovana ny Tafika ana habakabaka malagasy sy io resaka fifampizarana traikefa io.  Tafiditra anatin’ny fifampizarana paikady tekinika, hanatsarana bebe kokoa ny fivelaran’ny Tafika eo amin’ ny sehatra maha matihanina manoloana ny fivoaran’ny teknôlôjia izany .

Partagez :
Romuald