Lozam-pifamoivoizana : olona 10 namoy ny ainy tao Fianarantsoa io maraina io

  • 11 octobre 2021

Namoizana ain’olona 10 tamin’ny lalam-pirenena faha 7 androany maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany vokatry ny lozam-pifamoivoizana fiara mpitatitra avy any Fianarantsoa hianatsimo. Olona 13 no voamarina fa maratra ary manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB2 Ankaramena ny 6 amin’izy ireo. Ny 7 kosa tsaboina ao amin’ny hopitaly be Ambalavao.Teo amin’ny tetezana Sahasoa fokontany Malazarivo, Kaominina Ankaramena, distrikan’Ambalavao no nitrangan’ny loza.

Partagez :
Mahandry